Constitutionnel Madagascar

Haute Cour Constitutionnelle de Madagascar, Procès-verbal, du 9 avril 2021 – Firaketana an-tsoratra ny fianianana nataon’ny Mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Source officielle

Repoblikan’i Madagasikara
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
————————————————

Firaketan-tsoratra
——————-
Lf.01-HCC/PV

Androany alakamisy valo aprily taona iraika amby roapolo amby roa arivo, tamin’ny folo ora misandratrandro ;

Teto amin’ny efitrano fitsarana eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao Ambohidahy, Antananarivo ;

Araka ny fepetr’ireto didy aman-dalàna ireto :

  • Andininy faha 114 amin’ny Lalàmpanorenana
  • Didim-panjakana laharana faha 2021-384 tamin’ny 1 aprily 2021 anendrena sy anamarihana ny fifidianana mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Teo amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika natrehan’ny :

  • Filohan’ny Repoblika
  • N Filohan’ny Antenimierandoholona
  • Ny Filohan’ny Antenimierampirenena
  • Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta
  • Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta ;

Dia noraisin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianan’ireto Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana voalaza anarana manaraka ireto :

  • Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane
  • Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette
  • Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle
  • Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin
  • Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia
  • Ramatoa RANAIVOSON Rojoniaina
  • Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa
  • Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly,

Izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana : « Mianiana aho fa hatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana ka ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevidehibe raiketiny no hany hibaiko ahy amin’izany. Mianiana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana”.

Rahefa izany dia nomarihin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa vita fianianana araka ny lalàna izy ireo, koa nambarany fa voapetraka ara-panjakana amin’ny toerany avy izy ireo.

Araka izany, dia nataonay, Lahiben’ny Firaketan-tsoratra eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Sur ces questions, le cabinet met à votre service un avocat publiciste à Paris.


HCC Madagascar – decisions officielles publiques

Décisions voisines

Étude préalable de dossier

Envoyez vos pièces. Recevez une analyse.

Transmettez-nous les pièces de votre dossier. Maître Hassan KOHEN les étudie personnellement et vous adresse une première analyse écrite de votre situation sous 24 heures ouvrées.

  • Analyse écrite de l'avocat, 80 € TTC
  • Réponse personnelle sous 24 heures ouvrées
  • 100 % confidentiel, secret professionnel garanti
  • Jusqu'à 1 Go de pièces au total, dossiers et sous-dossiers acceptés
80 €TTC

Étude préalable de votre dossier. Examen de vos pièces et première analyse écrite de Maître Hassan KOHEN, sous 24 heures ouvrées. Le règlement s'effectue en ligne après l'envoi de ce formulaire.

Cliquez ou glissez vos fichiers ici
Tous formats acceptés (PDF, Word, images, etc.)

Envoi en cours...

Le règlement vaut demande d'exécution immédiate de votre analyse. Vos données sont utilisées uniquement pour traiter votre demande.
Conditions · Politique de confidentialité.

IA juridique gratuite

Une question de droit ? Demandez à Judith.

Judith cherche dans les codes, la Constitution, la Convention européenne des droits de l’homme et les décisions des juges, puis vous montre les textes et les passages d’arrêts qui pourraient répondre à votre question, avec leur source officielle. Gratuite, sans compte, elle ne rédige rien à votre place. Découvrir Judith, l’IA juridique gratuite du cabinet.

Trois recherches par jour, sans compte. Votre question est enregistrée et relue par le cabinet pour améliorer l’outil : n’y mettez ni nom ni information sensible.